IRAKA FIAINANA (Malagasy)

Fony aho 13 taona no nanomboka ny zava-drehetra. Isan’andro, rehefa mandeha avy miasa aho aorian’ny fianarana dia mandalo eo anoloana trano iray izay fialokalofan’ireo olona mipetraka amoron-dalana sy ireo mpangataka eo ambanin’irony trano misy fialofana irony. Taitra aho nahita ny fisian’ireo olona ireo. Indray maraina, nanatona ny iray tamin’izy ireo aho, Sr Joao, ary niresaka fohifohy taminy. Taorian’izay andro izay, dia nitondra mofo sy kafe ho azy foana aho ary nanomboka tsikelikely ny finamananay. Ary indray maraina, rehefa nanatona azy tahaka ny amin’ ny ora mahazatra aho, tohina aho rehefa tsy namaly ny fiarahabako izy. Maty nandritra ny alina teo amin’io sisin-dalana mangatsiaka io i Sr Joao.

Taona vitsy taty aoriana, nandray an’I Jesosy ho Mpamonjiko aho, ary nanomboka niasa tao am-poko Andriamanitra, nampahafantariny ahy fa ireo olona tahaka an’ I Sr Joao, na dia ailikiliky ny fiaraha-monina aza dia tena tian’Andriamanitra tokoa. Ny fiainan’ireo olona mipetraka amoron-dàlana dia tena tsy nampahazo aina ahy mihitsy. Indray alina, teny an-dàlana ho any am-piangonana aho no nahita lehilahy roa nianjera teo antsisin-dàlana; ary tamin’izany fotoana izany, dia nanao vavaka tsotra aho izay noraisin’Andriamanitra ho tena matotra: “Ray o, raha tianao tokoa ireo olona ireo, maninona no tsy ampiasainao aho mba hanampy sy hitondra azy ireo amin’ny famonjena?”

Andro maromaro taorian’izany, nanomboka nivoaka teny an-dàlana aho ary nanambara tamin’ireo olona ireo ny Fitiavan’Andriamanitra. Toa nizotra tsara avokoa ny zava-drehetra mandrapa- nisy lehilahy iray nampijanona ahy ka nanontany hoe:” Raha tena tia ahy tokoa Andriamanitra, maninona no tsy porofoiny izany? Izaho zao, mangatsiaka sady noana… Ny tena zavatra ilaiko dia lalana mba ahafahako miala amin’ity fiainana ety amoron-dalana ity”. Nisarika ahy ireo teny ireo. Nanontany an’Andriamanitra aho mba haneho ahy fomba ahafahako maneho ny Fitiavany amin’ny fomba hita maso. Nanao mihoatra noho ny firesahana momban’ny Fitiavan’Andriamanitra fotsiny aho; nanomboka nizara sakafo, fitafiana ary saran-dalana mba ahafahan’ireo lehilahy ireo miverina any amin’ny fianakaviany. Tena faly aho satria ireo lehilahy roa voalohany izay nentiko am-bavaka no roa voalohany nanolotra ny fony sy ny fiainany ho an’i Jesosy.

Tamin’izany fanombohana tsotra izany no nahaterahan’ny Iraka Fiainana (Life Mission), ivo toerana mpanao asa soa tena fantatry ny maro ao Brezila sy amin’ireo toerana maro maneran-tany. Tsy azoko sary an-tsaina : kanefa izany no drafitr’Andriamanitra avy ao am-pony.

Nanampy ireo lehilahy ireo arak’ izay azoko natao aho, fa ny fieritreretana ny fiainan’izy ireo amoron-dalana tena tsy nampahazo aina ahy mihitsy. Voalohany, niezaka nitady asa fanompoana na toeram-piofanana tao Brezila afaka handray azy ireo aho, fa tsy nahita na dia iray aza afaka hanampy azy amin’ny dingana ho amin’ny fanarenana sy famerenana azy ireo indray eo anivon’ny fiaraha-monina. Ny fieritreretako an’izany dia nanome ahy lohahevitra vitsivitsy hafahafa: “ Ireo olona tena marefo ara- pivelomana”na “ Ilay lehilahy adala avy any Anapolisy”. Fa Andriamanitra nanao ahy ho “Evangelista voalohany ho an’ireo mpangataka” tao Brezila. Na dia teo aza ireo ady sy fanoherana, 20 taona aho no nanomboka tetik’asa iray vaovao, izay mbola mahomby mandraka ankehitriny noho ny fahasoavan’Andriamanitra.

Nanomboka nanofa efitrano mba ahafahan’ ireo lehilahy ireo matory aho. Tamin’ny volako manokana, nampitao efitrano valo sy sakafo ho an’ireo lehilahy izay nanaiky hiala teny amoron-dàlana aho. Tsy mora ny niatrika an’izany!

Nanome vahaolana Andriamanitra tamin’ny alalan’ny soso-kevitry ny lehilahy iray tamin’izy ireo:” Maninona no tsy mitady trano izay ahafahanay miara- mipetraka ianao? Tokony manao tahirim-bola ianao dia amin’izay afaka miaraka aminay rehetra any ianao mba hizaranao aminay ny momban’i Jesosy”.

Nivavaka be izahay. Tonga ny valiny avy amin’Andriamanitra, rehefa nisy olona iray nanome ampahana tany kely. Mbola nitohy nivavaka misimisy kokoa izahay. Tsy nanana fahafahana ara-bola nahafahana nanorina na dia trano kely tsotra aza izahay. Rehefa izany, dia tonga ny valiny: Nandritr’izaho nivavaka, Niteny tamiko Andriamanitra fa manana fahafahana tokoa aho. Nampatsiahiviny ahy fa misy vola izay nangoniko avy tamin’ ny karamako isan’andro mba ahafahako mividy fiara vaovao. Niantso mpiasa aho ary ireo olona amoron-dàlana dia nangataka tamiko mba hanampy azy ireo. Tamin’ ny fomba toy izany no nanangananay ny ivo toerana breziliana voalohany ho fanarenana indray ireo olona mipetraka an-dàlana. Nitohy namoha varavarana maro Andriamanitra ary, tamin’ireo volana sy taona taty aoriana dia nandefa mpilatsaka an-tsitrapo sy mpiasa maro ary olona hafa ihany koa izay vonona hanampy amin’ny asa Izy.

Amin’izao fotoana anoratako ireo teny ireo dia feno fanontaniana maro ao an-tsaiko. Fa maninona Ilay Tompo Tsitoha no manao zavatra kely eto amin’izao tontolo izao? Aiza ilay Andriamanitr’I Elisa sy Abrahama, Ilay Andriamanitry ny fahagagana lehibe? Avy eo niova ilay fanontaniana: aiza ilay Elisan’Andriamanitra? Aiza daholo ireo lehilahin’Andriamanitra sasany? Ny valin-teny afaka nomeko dia ny hoe rehefa mankato Azy aho, dia ataon’izany amin’ny alalan’ny fankatoavako.

Amin’izao fotoana izao, ny asa fanompoan’ny Iraka Fiainana dia miparitaka manerana an’ I Brezila sy izao tontolo izao. Manana ivo toerana fifantenana 15 izahay, fananganana ary famerenana amin’ny laoniny any amin’ny faritra 5 ao Brezila, any amin’ny firenena 10 ary tanàna 15: Anapolis sy Cocalzinho, firenen’I Goias; Brazilia ao amin’ny Distrika federaly; Uberlandia sy Governador Valadares any Minas Gerais; Camacari sy Luiz Eduardo Magalhaes any Bahia; Duque de Caxias any Rio de Janeiro; Londrina sy Rolandia any Parana; Manaus any Amazones; Princesa Isabel any Paraibaiba; Sao Jose do Rio Preto sy Guapiacu any Sao Paulo; ary Caruaru any Pernambuco. Nitombo tamin’ny fahasoavana teo anatrehan’Andriamanitra izahay ary nitahy anay tamin’ny asa fanompoana maro hafa ihany koa Izy, tahaka ireo Ivo Toeram-Pampianarana Fiainana any Anapolis, any Goias; Joao Pessoa any amin’ny firenen’I Pernambuco; ary Madagasikara any Afrika. Ao anatin’ireo ivo toerana ireo, ankizy maro miaina ao anaty fahasahiranana no mahazo fanampiana isan’andro amin’ny lafiny saina, fanahy ary amin’ny fampianarana tahaka ny teny anglisy, solosaina ary mozika. Ireo olon-dehibe sahirana dia mahazo fampiofanana mahakasika ny lafiny teknika sy ny asa. Ao amin’ny “Life Seminary”, manofana ireo olona izay mahatsapa fa nantsoina amin’ny asa an-drenivohitra izahay; ao amin’ny “Life Clinic”, manome fanampiana ara-pahasalamana izahay, ara- moraly ary ara-tsosialy ho an’ireo izay ao anatin’ny dingana mianatra miverina amin’ny fiainana araka ny tokony ho izy. ary ho an’ireo olona sahirana eo amin’ny fiaraha-monina eo an-toerana. Ny tranonay ho an’ireo pasitera misotro ronono dia mitsinjo ireo pasitera misotro ronono, manome azy ireo fiainana mendrika ary sahan’asa mitohy ilaina. Manana Ivo Toerana famerenana ireo olona ao anaty fiarahamonina koa izahay, Ivo Toeram-Pivavahana, ny Fahatsiarovana ny Finoana, Ny Alan’ ny Mpinamana, Ivo Toeran’ireo hetsika ao amin’ny Nosy Vaovao, ny Lasy Fiainana, ary Ny Hotely Fiainana. Ireo toerana telo farany ireo no fanaovanay hetsika ho an’ny olona sy hetsika fanangonana famatsiana ho an’ny asa fanompoana ary manofana ireo olona efa ela nipetraka teny amoron-dàlana amin’ireo fahaiza-manao mety ilain’izy ireo mba ahafahany mahita asa any amin’ireo trano fisakafoanana sy fandraisam-bahiny.

Amin’izao fotoana izao, ny totalin’ny isan’ireo toerana izay atolotray ao amin’ ivo toerana fanaovana fifantenana, sy fanavaozana ary famerenana indray amin’ny fiainana tokony ho izy dia manampy anay hikasika fiainan’olona miisa 1500 eo ho eo. Nahatoky Andriamanitra tamin’ireo asa izay nankininy taminay. Ilay trano fialofana tsotra kely natao ho an’ny olona 12 isa dia nanjary tonga toerana farak’izay lehibe indrindra ho fiverenan’ireo olona mipetraka an-dàlana mianatra miaina fiainana araka ny tokony ho izy.

Nisy traikefa maro miavaka tao anatin’izay taon-jato telo lasa izay(sy mihoatra) tamin’ izany asa fanompoana izany. Misaotra ireo rehetra nanohana izany asa izany tamin’ny fony manontolo aho: miaramila izay miara- mitolona aminay ho an’ireo olona mipetraka amoron-dàlana izy ireo.

Fa indrindra, Misaotra an’Andriamanitra aho, Ilay namako mahatoky sy Tompoko. Ho Azy anie ny haja, voninahitra ary ny fiderana rehetra.

TE HANANA ANJARA AO ANATIN’NY IRAKA FIAINANA VE IANAO?

Sakafo in-dimy isan’andro; fitafiana madio, fandriana sy lamba firakotra madio anaty toerana mafana; fiofanana amin’ny asa; fitsaboana sy fikarakarana nify; fanasitranana ny vatana sy ny ratran’ny fihetseham-po; maneho finamanana amin’ny alalan’ny fihainoana sy fanoroana hevitra; fanohanana sy fampaherezana mba hanomboka indray.

Misy vidiny aloha ho an’izany rehetra izany ve? Ho an’ireo olona mipetraka eny amoron-dàlana izay tonga ao aminay, tsy voavidy vola izany. Mila ny fanampianao izahay mba ahafahanay manao izany asa fanompoana izany. Afaka mandray anjara amin’izany fizarana fitiavana sy fampitomboana firaisan-kina izany ianao. Tsotra ny manao soa:

  • Manomeza akanjo sy kirarao vaovao sy efa niasa
  • Manomeza fanafody
  • Manomeza sakafo, fitaovam-panadiovana sy fidiovana
  • Mpilatsaka an-tsitrapo raikitra
  • Manohanà ara- bola amin’ny alalan’ny “chèque”, carte de credit, na fametraham-bola amin’ny banky
  • Manohanà ireo tetik’asa manokana
  • Mivavaha ho an’ireo izay hiala amin’ny fiainana eny an-dalam-be, ho an’ireo ivo toerana, ho an’ny mpiasa, ho an’ireo pasitera sy misionera.

 

RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY MAHAKASIKA NY IRAKA FIAINANA

Foibe: Missao Vida, Av. Carlos Elias n.º 50, B. São Carlos, Anápolis/GO, CEP: 75084-100

Telephone: 55 62 3318 1985 / 55 62 3318 2085.

E-mail: mvida@mvida.org.br

Site: www.mvida.org.br

Contributions:

Associação Missionária Evangélica Vida / Missão Vida

CNPJ 01.139.179/0001-25

Banco Bradesco: Ag.: 0240-2/ C.C. 55578-9 (For on-line transfers use the Alphanumeric option DP05)

Banco do Brasil: Ag.: 3206-9/ C.C. 27381-3